Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

RMTF : “Tsy misy antenaina intsony amin’ny fitondrana”

RMTF  : “Tsy misy antenaina intsony amin’ny fitondrana”

“Tsy misy intsony ny antenaina amin’izao fitondram-panjakana izao. Tsy io fitondrana io intsony no hahavaha ny olana: fitsaram-bahoaka. Na kolikoly, na fangalaram-bolam-panjakana… Tsy misy zavatra vitan’io fitondrana io intsony.”

Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony (RMTF), Rajoharison Rainidina, afakomaly, momba ny toe-draharaham-pirenena.

“Tsy manantena aho hoe hametra-pialana eo io Rangahy io, na tonga aza ny faneren’ny vahoaka. Raisintsika ny andraikitra, raisintsika ny fahefana nomena antsika vahoaka. Andao hiaraka hanova izao zavatra izao”, hoy izy. Tsy hanova olona isika, fa hanova rafitra ary hanao hanorenana ifotony.

Ady amin’ny kizo fara izao

  “Vanim-potoana mampangitakitaka izao iainantsika izao. Adihevitra be dia be teo ho eo ny hoe ady amin’ny fahantrana, famongorana ny fitsaram-bahoaka”, hoy kosa Ranjivason Jean-Théodore. Tsy ady amin’ny fahantrana intsony no atrehintsika, fa ady amin’ny kizo fara manjo ny vahoaka malagasy.

Ny antony miteraka ny fahantrana ny hoe kizo fara, araka ny fanazavany. Mihabetsaka hatrany izany anton’ny fahantrana izany, amin’ny farany: kizo sisa ny an’i Madagasikara. Kizo tsy misy lalan-kivoahana sy hombana intsony, fa ho faty i Madagasikara.

Zarao na atsipazo ny fahefana

 “Fara fitiavan-tanindrazana angatahina aminareo mpitondra, rehefa tena tsy zaka ny fitondrana fanjakana: tsy ianareo irery no zanak’ity Nosy ity. Na hifampizarao amin’ny hafa, na atsipazo”, hoy ny mpikambana iray. Mijaly ny vahoaka. Tokony hahatsapa izany ny mpitondra.

Mihaino izany ve ny mpitondra? Ny hahazoana fandresena amin’ny fomba rehetra amin’ny fifidianana 2018 izao no imasoany.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.