Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andriamifidy Jean-Louis : “Azon’ny Bianco samborina izay tsy mamaly ny fiantsoany”

Andriamifidy Jean-Louis : “Azon’ny Bianco samborina izay tsy mamaly ny fiantsoany”

Tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto amin’ny firenena. Tsy maintsy anaovana famotorana avokoa izay heverina fa ilàna izany. Amin’ny fanarahana sy fanajana lalàna koa no anaovana izany.”

Io ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis, teny Ambohibao, omaly, momba ny famotoran’ny Bianco ny raharaha kolikoly. Mby ao an-tsaina amin’izany ny “Raharaha Ambohimahamasina“.

Rehefa misy olona antsoina ka tsy mamaly hiatrika famotoran’ny Bianco, azo atao ny misambotra azo raha mbola eny anivon’ny Bianco ny famotorana, araka ny fanazavany.

 

Vitsy ny mahavita ny fanambaram-pananana

 Ny aorian’ny lalàna vaovao 2016-020, isaky ny roa taona indray ny fanaovana fanambaram-pananana. Ho fampiharana io lalàna vaovao io, miainga amin’ity taona 2017 ity: miverina manao fanambaram-pananana vaovao ny olom-panjakana tokony hanao izany.

Manomboka amin’ity taona ity ny fanisana ny roa taona: amin’ny taona 2019 indray ny fanavaozana. Raha ny salanisan’ireo nahavita fanavaozana tamin’ity taona ity, tsy mahatratra ny antsasaky ny tokony hanao. Vitsy indrindra amin’izany ny ao amin’ny fitsarana, ny ladoany, ny hetra, ny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Amin’ity volana marsa ity ny tapitra ny telo volana, fe-potoana anaovana ny fanambaram-pananana. Aorian’izay, miroso amin’ny dingana manaraka: fampahafantarana fa mbola misy roa vola hahazoana mampihatra ny lalàna ho an’ireo tsy mahavita.

Zandary 1 530 nanao fanambaram-pananana

Nametraka fanambaram-pananana teny anivon’ny Bianco, omaly, ny zandary misahana ny fibaikoina miisa 1 530 eo anivon’ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimarim-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

Nilaza ho afa-po amin’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitantanana ny maha olona ny zandary, araka ny fanazavan’ny komandin’ny zandarimarim-pirenena, ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel. Manomboka mahazo aina ny zandarimaria amin’ireo  tanjona efatra: ny fifaninanana hiditra ho mpianatra zandary, ny fisondrotana grady, ny famindran-toerana, fiofanana sy fizaran-draharaha.

R.Nd /  Sary Fanou

 

Les commentaires sont fermées.