
Mihapotika sahady ny lalana maro eto an-dRenivohitra, vokatry ny orana misesy. Raha mitohy ny fahasimbana, tsy ho afaka ampiasaina intsony ny lalana sasany, toy ny eny Besarety, ohatra, tratry ny tondra-drano foana raha vao milatsaka ny orana. Efa nisy ny tetikasa nampahafantarin’ny fanjakana, nametrahana takelaka teo amin’ny lalana mihodina (rond point) Andravoahangy, fa hatao godirao, sady halebiazina ny avy eny Ankorondrano, mandalo Andravoahangy hatrany amin’ny hotely La Rotonde. Efa nentina teny an-toerana mihitsy ny fitaovana vaventy, saingy tsy nisy asa natao.
Ahitana lavadavaka koa ireo lalana notampenana tamin’ny taon-dasa eny 67 ha, Isotry, Petite vitesse, Ankazomanga, sns, azo adika fa vonjy tavanandro toy ny mahazatra. Eny Avarabohitra Itaosy, efa ao anaty fotaka ny lalana andehanan’ny fiara. Azo aravona fa tsy misy mateza mihitsy ny ankamaroan’ny lalana eto an-dRenivohitra, ankoatry ny any amin’ny lalam-pirenena, efa tsy voatanisa intsony ny haratsiana.
Randria
Les commentaires sont fermées.