Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mahovoka

Tsy mahovoka

Olon’ny asa ny ben’ny Tanàna eto Antananarivo ka tsy handany andro hifanasa vangy eny amin’ireo adihevitra nokarakarain’ny fahitalavitra nandritra ny fifidianana ho ben’ny Tanàna. Ny adihevitra mivantana, hifandonan’ireo kandida, nefa fomba iray fanao tokoa amin’ny tany demokratika. Raha ny zava-misy aloha hatreto, tsy nisy asa nivaingana vita. Ny fandaminana ny tsena ohatra tsy mety vita fa lasa raharaha manaraka ny arabe. Namoizana ain’olona, mitondra lonilony etsy sy eroa ka nahatonga fampisehoan-kery avy amin’ny andian-tafika iray mihitsy. « Ny arabe potika tsy misy miraharaha. Hanaovana asa haingana ireo boriborintany nahazoako vato », hoy ny nambarany raha vao lany ho ben’ny Tananà izy. Misy fokontany sasany nahazoany isam-bato ambony, tsy nojereny akory hatramin’izao. Ny lalana mamakivaky ny fokontany potika vokatry ny fanasana fiara andro aman’alina, tsy misy mieritreritra ny hanamboatra. Ny arabe indray tsy noraharahin’ny HVM nandritra ny Frankofonia satria tsy nandalo teny ry François Hollande sy ny ekipany. Nijanona teo Ivandry ny fanamboarana vonjy tavan’andro. Fa ny Malagasy ve izany tsy mba mendrika ny hahazo tombony amin’ny fandaniana volam-panjakana fa ny vahiny mandalo no atao toy ny mpanjaka kely ?

Maika ery ny mpanao politika rehefa hilaza fa ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa no tena mahadodona azy ireo. Vokany, tratry ny antsojay ny ben’ny Tanàna eto an-dRenivohitra ka zarany koa aza miady amin’ireo minisitra mpiahy hanakonana ny tsy fahombiazana. Tena misongadina aloha ny fandraisana masoivoho vahiny sy diplomaty eo amin’ny lapan’ny Tanàna. Ny ankoatra izay poakaty. Ankehitriny, misy savorovoro indray ny mpivarotra eo amin’ny esplanade Analakely ary manahy fa misy ambadika ny fandaminana.

Andrianjaka Vonjy

Les commentaires sont fermées.