Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiroanomandidy : manentana ara-pahasalamana i Nakamura Mami

Tsiroanomandidy : manentana ara-pahasalamana i Nakamura Mami

Manentana ara-pahasalamana, mitety fokontany  sy eny amin’ny CSB II i Nakamura Mami, anisan’ny mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Miara-miasa akaiky amin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana ao anivon’ny distrika (SDSP) sy ireo rantsa-mangaika eny ifotony izy amin’ny fanentanana ny mponina mikasika ny fahasalamana.

Ny alarobia teo, nidina teny amin’ny fokontany Ambohimamory, kaominina Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanomandidy i Mami. 12 km miala ny CSB II Ambohipeno ity fokontany ity. Fotoana fanaovam-bakisiny tamin’io alarobia io, ka nahavory olona betsaka i Mami tamin’ny fanentanana.

« Nahaliana ny mponina ny torohevitra ara-tsakafo nentiny. Mila misakafo miovaova sy maro loko ary ara-pahasalamana », hoy izy. Nampahafantatra ny mponina mikasika ny maha-zava-dehibe ny antony tokony hanaovana vaksiny ihany koa izy.

Nohazavainy ireo karazana vaksiny tokony hataon’ny zaza sy ny ankizy ary nambarany ny aretina voaaron’izany karazana vaksiny tokony hatao izany.

Nilaza ny fahafaham-pony ny mponina tao amin’ny fokontany Ambohimamory amin’ny fiasan’i Mami any amin’izy ireo. Tsy mihafahafa fa mahay miaraka amin’ny olona tsara izy ka maharesy lahatra ny mponina ny fanentanana ataony.

Ankoatra izany, mampianatra ny teknika japoneny 5S ao amin’ny SDSP izay tarihin’ny dokotera Andrianiaina Solofo Charles Alain, i Mami. « Ilaina amin’ny fandrindrana ny asa ity teknika 5S ity, ka nahatsara anay ny fampianarana nentiny », hoy dokotera.

Marihina fa nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ny Jica, izay miandraikitra ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney ny lehiben’ny faritra Bongolava tamin’ity herinandro ity ho fisaorana amin’ny fiasan’izy ireo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.