Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivarotra tao Tsarasambo Masomeloka, ny alatsinainy teo. Lasan’ireo ny vola mitentina 2 tapitrisa Ar niampy ireo enta-madinika tao am-pivarotana. Olona efa naratra nandritra ity fanafihana ity. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Masomeloka nanao ny fanadihadiana.

Lasan’ireo jiolahy ny lavanila milanja 70 kg sy vola ana hetsiny nandritra ny fanafihan-jiolahy miisa valo ny tokantrano iray tao Ambatofitatra Sambava, ny talata teo. Naratra teo amin’ny lohany ny tompon-trano vokatry ny daroka nataon’ireo jiolahy. Nentina haingana eny amin’ny hopitaly Sambava ilay niharam-boina. Mitohy ny fanadihadian’ny polisy momba ity raharaha ity.

 

Les commentaires sont fermées.