Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toyah – « Afro beach » : mitondra hafatra sy fialamboly

Toyah – « Afro beach »  : mitondra hafatra sy fialamboly

« Mpandoro fiangonana », hira nokaloin’i Toyah. Nahafahana sy nahatsapana avy hatrany fa tia mampita hafatra sy mampiala voly ity mpanakanto tanora miangaly ny « afro beach » ity. Tononkira mora raisina sy mipaka avy hatrany any amin’ny mpankafy. Fomba tsotra kanefa kanto sy manintona, miampy feo voajanahary. Ireo no paikady na karazana tsiambaratelo hoentin’i Toyah mitondra hafatra sy fialamboly ho an’ny olon-drehetra maheno ny sanganasany.

Fantatra fa hivoaka tsy ho ela ny sanganasany vaovao « Katsaka anaty lapoaly », « Ts’isy malahelo ». Ao koa ny fiakarana an-tsehatra lehibe inefatra eto Iarivo. Marihina fa anisan’ireo mpanakanto volavolain’ny « Metis Prod » i Toyah.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.