Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenim-pirenena ibeazana : lemen’ny fampianarana ny fahaizana ny teny malagasy

Tenim-pirenena ibeazana : lemen’ny fampianarana ny fahaizana ny teny malagasy

Vao avy nankalaza ny « Andro eran-tany ho an’ny tenin-dreny » na « Andro eran-tany ho an’ny tenim-pirenena ibeazana » i Madagasikara. Maro ireo hetsika notontosaina, saingy tsy vitsy ihany koa ireo mbola tsy vita ilam-panohizana sy ireo lesoka mila harenina. Sehatra maro rahateo ny manimba ny teny malagasy, ka tsy hahafahany mahazo anjara toerana « ao am-pon’ny Malagasy » tompony.

Mahay miteny malagasy lavitra noho ny Malagasy miaina amin’izao fotoana izao ny Malagasy niaina tany amin’ny fanjanahantany ka hatramin’ny taona 1975. Nandia fianarana tsy hita velively noho ny Malagasy niaina tamin’ny fanjanahantany ka hatramin’ny taona 1975 ny ankamaroan’ny Malagasy miaina ankehitriny. Tranga roa mifanao atsimo sy avaratra kanefa  ahafahana mitsikera mahitsy ny fandemen’ny fampianarana misy eto Madagasikara ny teny malagasy.

Niainga tany amin’ny kisarintsarina « fanagasiana ». Tsy ny vontoatin’ny fampianarana na ny teny hoenti-mampianatra no nampifanarahana tamin’ny maha Malagasy sy takian’i Madagasikara fa ireo voambolana sy anaran-javatra ampiasaina no nezahana « nogasiana ». Ny « tube à essayer » nanjary « goro fanahotoana », ny « racine carrée » nogasiana ka tonga « faka faharoa », sns.

… Aty aoriana, noezahan’ny vahiny nogiazana an-kolaka sy mivantana ny rafi-pampianarana manontolo niainan’ny zaza malagasy. Natobany ny vola hoenti-manantanteraka ireo lazainy fa fanitsiana sy hanarenana ny lesoka eo amin’ny rafi-pampianarana misy eto Madagasikara. Iray amin’ireny « hono » ny tsy fahaizan’ny zaza malagasy ny teny vahiny. Fandaharam-pampianarana, lazainy fa tsy mifanaraka amin’ny filan’izao tontolo izao sy ny vanim-potoana iainana intsony, sns… Satria azy (vahiny) ny vola, noho izany, tsy maintsy manatanteraka izay lazain-dry zareo.

Nanjary anisan’ny teny hoenti-mampianatra ny zaza malagasy ihany koa ny tenim-bahiny. Tsy nijanona hatreo fa nihanahazo vahana fatratra vokatry ny fanindrahindrana sy filazana na fiantsoana ny Malagasy miteny frantsay ho « avara-pianarana » na « olona ambony ». Mitsangana etsy sy eroa ny sekoly mampianatra amin’ny fiteny frantsay. Tranga mampidi-doza ny firenena iray izay manao izany anefa ny tahaka io satria volavolaina ho vazaha saina, vatana fanahy, fomba, kolontsaina, sns, ny taranaka malagasy. Hadinon’izy ireo tanteraka ny maha Malagasy azy. Goavana indrindra amin’izany ny teny malagasy.

Aza simbaina ny lamina voajanahary !

Raha te hanana firenena vanona, ampianaro amin’ny teniny ny mponina ao aminy. Azo antoka ny fahamarinan’io lalàna voajanahary io. Na inona na inona ianaran’ny olona iray, ny fampianarana izany amin’ny teniny ihany no hahaizany an’iny haingana sy tsara. Faharoa, ny zavatra na ny trangan-javatra rehetra, azo ampianarina na hazavaina amin’ny tenim-pirenena rehetra ka nahoana ny taranaka malagasy no terena sy ampianarina amin’ny teny vahiny ? « Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha », hoy ny fahendren’ny Malagasy. Aza hadinoina fa nampianarina tamin’ny teny malagasy ny mpianatra ho mpitsabo fahiny teto Madagasikara. Tamin’izany no nahalatsa-bava ireo « vazaha » mpampianatra fa marani-tsaina sy mahay ny Malagasy. Satria mbola maro ireo vahiny ireo no nonina teto Madagasikara tamin’izany ka nilain-dry zareo ny mpitsabo mahay. Mbola maro rahateo ireo karazan’aretina nila narahi-maso fatratra sady natahoran’ny vazaha teto. Anisan’ireny ny tazo sy ny tazovony, ny gripa mahery, ny pesta, sns. Porofo iray goavana io anehoana fa ampy hahaizan-javatra tsara ny tenim-pirenena iray fa tsy voatery hampiasa sy hidedaka amin’ny an’ny hafa. Fantatry ny vahiny izany ka izay no mahatonga azy ireo hanao izay hanalaviran’ny Malagasy io fomba fampianarana voajanahary io. Tsy mampaninona azy ireo mihitsy ny mamafy volabe ho an’i Madagasikara hoenti-manapariaka ny teniny sy hoentin’ny Malagasy « mankahala » ny teny malagasy.

Ny fahaizan’ny olona iray ny teniny, ampy hampitombo ny fitiavany ny tanindrazany. Tsy mahagaga raha mihamanadino an’i Madagasikara sy ny momba azy rehetra toy ny hareny, ny kolontsainy, ny hasiny, ny fomba amam-panaony, sns, ny Malagasy. Hany ka toa tsy mampaninona ny « sasany » intsony raha lasan’ny vahiny ambongadiny ity Nosy fahatelo lehibe indrindra eto amin’ny planeta tany ity. Vokatry ny tsy fitenenana ny teny malagasy any an-tsekoly, tsy mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fiaraha-monina sy Madagasikara ny zaza malagasy. Noho izany, tsy afa-bela amin’ny famotehana an’i Madagasikara ny tontolon’ny fampianarana nisy sy misy teto hatramin’izay ka hatramin’izao! Rahoviana vao hisy tompon’andraiktra sahy hilaza fa « manomboka izao, ny teny malagasy no teny enti-mampianatra ny zaza malagasy?».

HaRy Razafindrakoto

(Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.