Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Polisy matin’ny olona : nalevina tany Port Berger

Polisy matin’ny olona  : nalevina tany Port Berger

Tonga tao amin’ny distrikan’i Boriziny na Port Berger afakomaly ny iray tamin’ny vatana mangatsiakan’ireo polisy matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambalamanga, Befandriana Avaratra . Nandrasana indray alina tao an-tampon-tanànan’i Boriziny ny razana izay nahavory vahoaka maro sy olom-panjakana izay notarihin’ny lehiben’ny Distrika tany an-toerana? nitsapa alahelo ny fianakaviana. Nalevina am-pasan6drazana izy avy eo.

Ny teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka kosa nanolotra mari-boninahitra ho an’ny fianakavian’ireo polisy roa lahy. Nahazo ny “chevalier de l’ordre national” izy roa lahy maty am-perinasa, ary atolotra ny fianakaviany ireo. Ny polisy moa nanamafy fa tsy maintsy fantatra ny marina amin’ny famonoana ireto polisy roa lahy ireto.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.