
Nivory momba ny tetikasan’ny fanjakana hampiditra bus hitatitra olona eto an-d Renivohitra ny mpikambana ao amin’ny UCTU omaly maraina teny Ambodivona. « Tsy nisy ny zavatra tapaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny mpitatitra sy ny mpiandraikitra ny UCTU fa nifampizara momba ny vaovao momba ny bus sy ny fampiasana azy izahay », hoy ny filohany, Andriambinitsolomara Bernardin. Nisy ireo nivoaka mialoha ny fiafaran’ny fivoriana ary nilaza ny tsy fahafaliany manoloana ny tetikasan’ny fanjakana. « Voalaza fa afaka mitambatra mividy bus iray iraisana ny mpitatitra roa nefa sarotra be ny fitantanana izany », hoy ny sasany. Nanamafy ny mpitatitra iray fa tsy mety izany hampiasa karatra izany ny olona mpandeha fa tsy vola no handoavana ny saran-dalana. Hiteraka olana izay indrindra ho an’ny tompon’ny fiara. Lafo be ny vidin’ny bus satria tsy ho latsaky ny 200 tapitrisa Ar mahery ka iza no hahazaka izany, hoy ny hevitry ny hafa.
Na tsy mbola naneho tamin’ny fomba ofisialy na hanaiky na handa ny tetikasa vaovao ny mpitatitra, hita taratra sahady fa betsaka ireo tsy mazoto amin’ny fampidirana ny bus vaovao hitatitra olona.
Vonjy
Les commentaires sont fermées.