Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiverenana an-tsehatra : hitondra vokatra vaovao i Vaney’s

Fiverenana an-tsehatra  : hitondra vokatra vaovao i Vaney’s

Rehefa tsy tazana elaela teny an-tsehatra, hiverina indray i Vaney’s sy ny feo kantony. Hanatanteraka « cabaret » ao amin’ny Le Glacier Analakely izy anio. Fotoana hamoahany ireo sanganasany vaovao toy ny « Tia za mbo tiako » sy « Iaretako fona ». « Izay ho tonga hiala voly eny an-toerana anio no hahita azy ireo voalohany hoentina eny an-tsehatra», hoy i Vaney’s. Ho avy eny rahateo ny mpikambana rehetra ao amin’ny tarika. Aorian’ity « cabaret » ity, hisy ny fitetezam-paritra, raha ny fandaharam-potoan’ny tarika.

Raha ny tombanezaky ny taona 2016 ho an’i Vaney’s sy ny tariny, tao ny namoahana hira maromaro. Tontosa ihany koa ny fivoahana tany ivelany sy ny fitetezam-paritra teto an-toerana.

Ankoatra ireo sanganasany vaovao, hohirainy anio mandritra ity « cabaret » ity ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Marihina fa sady mamoron-kira i Vaney’s no miara-miasa ihany koa amina mpanakanto hafa.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.