Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatanjahantena malagasy : notolorana mari-boninahitra ireo mendrika

Ho fankasitrahana ireo atleta sy mpanazatra nahavita be tamin’ny firenena, notoloran’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, mari-boninahitra, izy ireo. Mitotaly 292 mianadahy mianaka ny nahazo izany. Taorian’ny fanolorana ny mari-boninahitra, nirohotra nankeny amin’ny lapan’Iavoloha avokoa ny rehetra ka tamin’izany no nandraisan’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery azy ireo. Ankoatra ireo atleta nitondra avo ny lazan’i Madagasikara teo amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena, tamin’ny taona 2016, nomena ny azy koa ireo mpanazatra sy mpikambana eo anivon’ny Federasiona isan-tokony. Tafiditra tao anatin’ireo nisitraka izany mari-boninahitra izany koa ireo mpilalao fahiny, raha tsy hilaza afa-tsy ry Me Kira sy i Dezy monstre, teo amin’ny taranja baolina kitra,  i Arlette sy i Bao Monique ho an’ny basikety. Andriamiharinosy Berthin, ho an’ny Handball, Ravalitera teo amin’ny volley-ball sy Rabenala Toussaint, ho an’ny atletisma sy ry Randriantefy Dally sy ny sisa.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.