Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cram : « Loabary an-dasy aloha vao fifidianana »

Cram  : « Loabary an-dasy aloha vao fifidianana »

Nivory ary namoaka fehin-kevitra sy taratasy misokatra ny eo anivon’ny Sehatra hifanakalozan-kevitra ho amin’ny ho avin’i Madagasikara (Cram). Nivoitra tamin’izany ny hirosoana amin’ny fihaonambe, hisorohana ny korontana mety hitranga mialoha sy aorian’ny fifidianana. “Laharam-pahamehana  ny fikarakarana ny loabary an-dasim-pirenena ho fanarenana an’i Madagasikara mialoha ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018, raha hanohana ara-bola ny vahoaka malagasy marina ny vondrona iraisam-pirenena”, hoy izy ireo.   Hampiavaka izany amin’ireo karazana fivoriana sy atrikasa na zaikabe efa natao teto ny fanovana ny rafitra sy ny toe-tsain’ny mpitondra ka ho lovain-jafy izany, araka ny fanambarana. “Mitaky fahasahiana sy fahamatorana ny fanaovan’ireo solontenan’ny mpiantsehatra ara-politika sy ara-piaraha-monina sonia miaraka ny fehin-kevitra. Ho tombontsoa ambonin’ny firenena izany satria raha mbola Malagasy ka vonona hiaro ny tanindrazana iombonana, tsy ho lasan’ny mpandroba sy tsy  hanomezan’ny taranaka tsiny fa lasa tompony mangataka atiny izy ireo eto amin’ny taniny noho ny heloka bevava nataon’ny vitsy an’isa mpamadika tanindrazana”, hoy ihany izy ireo.

Mitaky fanovana toe-tsaina ny fifidianana

 

Nohitsin’ny Cram fa mitaky ny fanovana ny toe-tsaina ny fanomanana ny fifidianana satria antoky ny ho avin’ny firenena ny fananana filoham-pirenena tena voafidim-bahoaka marina amin’ny fahazoany ny 51% na mihoatra ny vaton’ny mpividy voasoratra anarana manerana ny Nosy. “Fa tsy amin’ny alalan’ny hala-bato na ny fampiasana ny fahefam-panjakana”, hoy izy ireo. Nambaran’izy ireo fa tokony hapetraka ny rafitra « E-gouvernance » hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-bahoaka miainga avy any ifotony, ahitana ny fokontany. Vitantsika ny  fametrahana  izany rafitra izany mialoha ny taona 2018 ary manana manam-pahaizana amin’izany ny firenentsika, araka ny fanambarana. “Mitaky fanovana ny lalàm-pifidianana sy fanitsiana ny lalàmpanorenana izany. Anisan’ny dingana ahatongavana amin’izany sady vahaolana fototra ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna sady lavitry ny kolikoly avo lenta. Mpitondra matahotra an’Andriamanitra sady mitsimbina ny tombontsoa iombonan’ny vahoaka”, hoy ihany ny Cram. Anisan’ny nandefasana ity taratasy misokatra ity ny filoham-pirenena,  ireo mpiantsehatra ara-politika sy ara-piaraha-monina ary ny  iraisam-pirenena.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.