Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Behenjy : Sprinter nitrongy taksiborosy telo, mpamily iray maty tsy tra-drano

Behenjy  : Sprinter nitrongy taksiborosy telo, mpamily iray maty tsy tra-drano

 Nandriaka vao maraina indray ny ra teny Behenjy, omaly maraina tamin’ny 5 ora noho ity lozam-piarakodia mahatsiravina ity. Mpamily iray maty tsy tra-drano raha olona fito hafa kosa naratra mafy. Araka ny fitantaran’ireo nahita ny fitrangan’ny loza, taksiborosy Sprinter iray avy any atsimo no nahatonga ny loza rehefa tsy nahafehy ny familiana vokatry ny fandehanana mafy ny mpamin’ilay fiara. Teo an-tanànan’i Behenjy mihitsy no nitranga ny loza. Nisy fiara Toyota iray nijanona teo amoron-dalana niandry mpandeha hihazo an’Ambatolampy. Nisy taksiborosy Sprinter iray koa  avy any Fianarantsoa nanala mpandeha nitondra vorona teo Behenjy. Nivoaka ny fiara nanala ireo vorona ilay mpamily, kanjo nitranga tampoka ny loza naterak’ilay fiara Sprinter nirimorimo nandeha mafy ka nifatratra tao amin’ilay Sprinter nanala vorona. Vokany, maty tsy tra-drano terin’ny fiara tao ilay mpamily. Tsy vitan’izay fa mbola nifaoka ilay fiara Toyota niandry mpandeha teo amoron-dalana koa ilay fiara Sprinter namoa-doza. Nisy fiara hafa koa aza voafaoka niaraka tamin’ilay Toyota. Nifatratra tamina tranon’olona mihitsy aza ilay fiara vokatry ny dona nataon’ilay Sprinter. Olona fito hafa naratra mafy. Voalazan’ireo mpandeha fa tampoka ny fiavian’ny loza ka tsy afa-nanoatra ireo niharam-boina. Samy potika avokoa na ilay fiara nitrongy na ireo voatrongy. Nalefa eny amin’ny hopitaly avy hatrany ireo niharam-boina.

Tratran’ny torimaso teo ambony familiana sa tsy nahafehy lalana vokatry ny fandehanana mafy? Matetika ahitana trangana lozam-piarakodia eo amin’ny manodidina ny tanànan’i Behenjy. Tandrevaka ataon’ny mpamily avokoa anefa no mahatonga ny loza toy izao. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana kosa ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.