Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : rehefa latsaka anaty tsy vitan’ny resaka am-bava fotsiny

Amin’izao fotoana fiovan’ny toetrandro izao dia tsapa ny fisondrontry ny mari-pana, na efa somary nihena aza hatramin’izay nirotsahan’ny orana izay dia mbola migaingaina ihany ny hafanana. Tsy mahagaga raha miverina mahazo vahana indray ny fiarovana loha amina fisatrohana. Somary resy ny lamaodin’ny kasikety izay tsy maharo firy, aiza moa no hisy tsara toy ny satroka penjy vita avy amin’ny fandrarina alon-drano, herana sy karazany ary indraindray aza bozaka lava sanga. Nefa tsy ahitana firy intsony ny olona misatroka penjy vita malagasy. Satroka vita avy any ivelany no mameno tsena ary ireny no mameno arabe amidin’ireo mpivaro-mandeha. Angamba tsy afaka ampitahaina amin’ny valalan’alika ka ho lazaina hoe ny tompony aza tsy tia. Sady mandravaka no mangatsitsika araky ny ilana azy anefa, tsy ny mpanjifa loatra no tsy mila azy fa ny vokatra no tsy dia misy firy. Toy izany koa ireo karazana harona vokatry ny fandrarina, eny amin’ny tsenan’ny taozavatra ho an’ny mpizaha tany sisa ahitana azy, aty anivon’ny mponina efa voatositosiky ny “plastika” ny harona sy sobika. Sao diso tia vao ny maro ka sodokan’ny akanga tsara soratra dia manadino ny akoha manatody efa tamana sy tsy mahatsiaro intsony ny tsirona akoha mifaha ? Aza mihevitra fa hataon’ireo mpizaha tany haingo-trano ilay harona novidiny ho fahatsiarovana, ampiasainy rehefa miantsena izy, tazana ato an-tsaina ny filanjany azy toy ny kitapokely mampianjaika ny andriambavilanitra. Ny eto an-toerana indray dia ny filanjana kitapo plastika no kapaoka andavanandro.

Tsy diso anjara amin’ny andraikitra mikasika an’izany ny fitondrana. Eo amin’ny sehatry ny toe-karena moa ny fanjavonana karazana famokarana iray dia mitory fihemorana sady fahaverezam-bola no famonona asa fivelomana. Eo amin’ny lafin’ny toe-tsaina, anarany fotsiny izany minisiteran’ny kolotsaina izany, ny fitaizana ny mponina anaja ny kely anana tsy hay atao. Anjaran’io minisitera io sy ny minisitera fampiroborobona ny asa tanàna no mamerina ny hasin’ny vita gasy.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.