Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina : lasa atsy Afrika ny Cnaps sy Elgeco

Kitra afrikanina  : lasa atsy Afrika ny Cnaps sy Elgeco

Nanainga, omaly, ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus, hiatrika ny lalao miverina eo amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Nihazo an’i Botsoanà ny Cnaps Sport, izay hifandona amin’ny Township Rollers, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka, ary lasa atsy Afrika Atsimo kosa ny Elgeco Plus hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, izay hifanandrinany amin’ny Supersport.

Raha tsiahivina ny vokatra teo amin’ny lalao mandroso natao teto Madagasikara ny herinandro lasa teo, nandresy ny Township Rollers, tamin’ny isa 2 noho 1, ny Cnaps Sport ary nisaraka ady sahala samy tsy nitoko tamin’i Afrika Atsimo kosa ny Elgeco Plus. Nialoha ny niaingan’ireo ekipa roa tonta ireo anefa, tonga naka tsodrano tamin’ny praiminisitra teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo izy ireo.

Torcelin

Sary : Fano

Les commentaires sont fermées.