Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Groupe “Fisofana…” – Facebook : nanenina mafy sy nifona Rapanoelina Hiary

Groupe “Fisofana…” – Facebook  : nanenina mafy sy nifona Rapanoelina Hiary

« Nanomboka ny 1 febroary teo, tsy manana fahafahana manao « connexion » intsony i Hiary, ary tsy afaka manao « publication » intsony koa. Ny zoma 3 febroary teo ihany, efa nakatona tanteraka, teo anatrehan’ny polisy ny “groupe fifosana hanatsarana pipoles gasy” izay natsangany…”. Ny fianakavian-dRapanoelina Hiary sy ny vady aman-janany no nanao izany fanambarana izay efa hita tao amin’ny facebook, ary mbola nohamafisiny, omaly. Ny olona voatondro eto moa dia ny tompon’andraikitra voalohan’ilay “groupe” tao amin’ny tambajotran-tserasera sosialy (FB), nantsoina hoe “Fifosana hanatsarana pipoles gasy”. Voarohirohy ho nanao fanalam-baraka olona tao amin’io tambajotra io  ny lehilahy, ka niafara amin’ny fampidirana am-ponja azy mihitsy izany.

Nilaza ho nanenina mafy tamin’izay rehetra vitany ny lehilahy, ary niangavy ny fianakaviany hampita izany amin’ny rehetra. Ankoatra izay, manao azafady sy fifonana amin’ireo rehetra voatohintohina tamin’ny zavatra nivoaka rehetra tao amin’io tambajotra io izy.

Manao antso avo koa anefa ny tenany, araka ny nampitain’ny fianakaviany ihany, ny amin’ny tokony hanajanonana amin’izay ny firesahana ny fiainan’ny olona. “Avelao ny tsirairay hiaina malalaka ny fiainany, samia miatrika ny azy…”, hoy ihany Rapanoelina Hiary.

Randria

Les commentaires sont fermées.