Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antandrokomby : voaambana antsy ny mpiambina, norobain’ny jiolahy ny EPP

Antandrokomby  : voaambana antsy ny mpiambina, norobain’ny jiolahy ny EPP

 Norobain’ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, afakomaly alina. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny ordinatera sy ny entana samihafa tao an-tsekoly…

 

Tsy afaka nanao na inona na inona ireo mpiambina ny sekoly nandritra ity fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana ireto ity. Voalaza fa hoe voaambana antsy ny mpiambina ny sekoly ka tsy afa-nanoatra manoloana ireo jiolahy. Araka ny fanazavan’ny mpiambina, miisa efatra ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Voalazan’ny  talen’ny EPP Antandrokomby, Randrianjafy Elidio fa lasan’ireo jiolahy ny ordinatera  roa, vilany fampiasan’ny sekoly, kidoro sivy sy boky vitsivitsy. Mbola nisy efitra hafa kosa anefa tsy voasokatr’ireo olon-dratsy. Nikasa hanohitra ihany ny mpiambina fa be no ho vitsy manoloana ireo jiolahy nirongo fitaovam-piadiana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy nandritra ny fanafihana satria lasa nitsoaka avy hatrany ry zalahy rehefa nahazo izay nilainy.

Efa mandeha ny fanadihadiana eny anivon’ny zandary momba ity fanafihana tao amin’ny EPP ity. Nohamafisin’ireo mponina eny amin’ny manodidina ny sekoly fa azo lazaina ho milamindamin-dratsy ihany ny fandriampahalemana eny amin’ny kaominina Anosizato Andrefana, saingy nahavariana ny rehetra ny nahita ity trangana fanafihana tao amin’ny EPP Antandrokomby ity. Miahiahy kosa ny mponina fa mety efa voaomana mialoha ity fanafihana ity, saingy aorian’ny fanadihadiana no hamantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity. Tsy azo antoka intsony ny fandriampahalemana fa hatramin’ny sekoly avy sahin-dry zalahy tafihina. Tsy kely lalana ny ratsy. Samia mailo.

J.C

Les commentaires sont fermées.