Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny sekoly : nahazo fanampiana ny Akamasoa

Andron’ny sekoly : nahazo fanampiana ny Akamasoa

 Ho fanamarihana ny “Andron’ny sekoly”, notoloran’ny vadin’ny filoha tamin’ny alalan’ny senatera Rason Vola fanampiana ny fikambanana Akamasoa eny Andralanitra. Nozaraina nandritra ny hetsika ny akanjo fitondra manao baolina 504, baolina 10, baolina basikety 10 koa, vary 100 gony ary menaka 120 litatra, boatin-dronono 250, siramamy dimy gony. “Manampy betsaka ny tohana tahaka izao” hoy ny mpitantana ny Akamasoa, ny mompera Pedro Opeka satria ahafahana manome sakafo any an-tsekoly ny ankizy rehetra mianatra. Tanjon’ny fikambanana rahateo ny tsy hisian’ny zaza mirenireny sy matory an-dalana intsony eto an-dRenivohitra.

Manana kianja filalaovam-baolina ny fikambanana ka azo ampiasaina tsara ireo baolina vaovao ho fialambolin’ny ankizy rehetra tezaina ao.

Vonjy      

Les commentaires sont fermées.