Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasimbe : olona telo nahatrarana taolam-paty miisa 121

Ampasimbe : olona telo nahatrarana taolam-paty miisa 121

 Nidoboka am-ponja avy hatrany, ny herinandro teo ireo olona telo mianadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taolam-paty tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe Brickaville. Sarona taorian’ny vela-pandrika nataon’ny zandary avy ao Ranomafina ireto mpangalatra taolam-paty ireto. Nohamafisin’ny zandary fa matetika ahitana trangana vaky fasana ao Brickaville tamin’iny taon-dasa iny. Fasana miisa enina indray vaky ny volana septambra sy oktobra 2016 iny. Nametraka fitoriana eny amin’ny zandary avy hatrany ny tompon’ireo fasana nisy namaky ireo. Nametraka fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona ny zandary amin’ny fampitam-baovao momba ireo olona mampiahiahy manoloana ny firongatry ny vaky fasana ao an-toerana. Nahitam-bokany izany satria noraisim-potsiny ny jiolahy iray izay teo am-pitadiavana mpividy taolam-paty. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ny zandary ka tratra tao an-tranony ireo taolam-paty miisa 121. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary no nanondroany ireo namany mianadahy mpiara-manao asa ratsy aminy. Niaiky izy ireo nandritra ny famotorana ary nilaza fa efa maro ny fasana novakin’izy ireo, saingy tamin’ity vao tratra ry zareo. Hatreto aloha, tsy fantatra marina izay tena ambadik’ity halatra taolam-paty ity. Mafy vava tsy mety miteny ny anaovana itony taolam-paty itony rahateo ireo mpangalatra izay tratra. Fantatra fa misy olona ambony ambadik’ity halatra taolam-paty ity.

Sajo sy J.C

Sary : Sajo

Les commentaires sont fermées.