Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanao saran-dalana 500 Ar : taxi-be 187 saika nodoran’ny olona

Nanao saran-dalana 500 Ar  : taxi-be 187 saika nodoran’ny olona

Savorovoro tampoka  ny nitranga teny 67Ha, noho ny fanaovan’ny taxi-be 187 iray ny saran-dalana 500 Ar. Efa tafiditra avokoa ny mpandeha rehetra vao nilaza ny resevera fa 500 Ar ny saran-dalana. Tezitra noho izany ny olona ary nimenomenona fa efa nilaza ny ATT fa tsy misy saran-dalana 500 Ar intsony. Niakatra ny maripana ary nanao vava ny resevera. Teo no romotra ny mpandeha ary nikasa ny handoro ilay taxi-be 187. Nisavoritaka ny iray taxi-be ka olona sasantsasany nahavita nampitony ireo efa nitroatra, ny amin’ny mety tsy fahalalan’ny tompon’ny fiara izao saran-dalana izao. Tsy sahy niteny intsony taorian’izay ilay mpamily sy resevera. Araka ny fanamarihan’ny mpandeha teny 67Ha, ankoatra ny 187, mbola 500 Ar koa ny saran-dalan’ny 172 sy 137. Ilàna fanazavana ary tokony hamoaka lisitra ny tompon’andraikitra ho an’ireo fiara mbola mijanona ho 500 Ar. Mety ahitan-doza ary hitarika fitsaram-bahoaka eto Antananarivo ity resaka saran-dalana ity, raha mitohitohy kely ny nahazo ilay taxi-be 187 ity. Mila fanazavana ny vahoaka.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.