
Namboly hazo, teny Ambatomirahavavy, ny ONG Affami ny faran’ny herinandro teo. Maherin’ny 500 ireo olona nanoina ny antso ary namboly zanakazo maherin’ny 1200 fototra. Nitarika izany teny an-toerana ny filoha manorina sady depioten’i Madagasikara voafidy teny Ambohimanarina, Rasoavololona Victorine. Niara-nanatanteraka izany asa fiarovana ny tontolo iainana izany ny fikambanana Lovasoa. « Mpiara-miasa aminay izy ireo ary manara-maso sy mikolokolo ny zanakazo. Eo koa indrindra koa ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny ala, tonga manome fiofanana tsy tapaka isaky ny fotoana fambolen-kazo tahaka izao », hoy ny depiote etsy amin’ny boriborintany fahenina.
Tsiahivina fa efa fanaon’ny Affami, ny hetsika tahaka izao, ankoatra ny asa sosialy samihafa fijerena ny sosialim-bahoaka : ho an’ny tanora, ny ankizy sy ny olon-dehibe ary ny zokiolona.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.