Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitety ny boriborintany enina : olona 250 nomena sakafo

Hitety ny boriborintany enina  : olona 250 nomena sakafo

Nitsinjo ireo sahirana ara-pivelomana ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fizarana sakafo masaka isan-kerinandro.

Isaky ny alahady, mizara sakafo mafana ho an’ny olona tsy manan-kialofana eto Antananarivo ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Olona 250 nahitana ankizy sy olon-dehibe izay raisina an-tanana ao amin’ny foibe Seba sy Madcap ao Isotry (nisokatra ny 26 novambra) no notolorana izany, omaly. Nikarakara sy nitsinjara ny sakafo ny mpiasan’ny minisiteran’ny Mponina.

Efa misy ny tetikasa hitadiavam-bola hampaharitra ny fanampiana tahaka izao eo anivon’ny minisitera. Ety am-piandohana, hihodina eny amin’ny boriborintany enina eto an-dRenivohitra ny fizarana isaky ny faran’ny herinandro, arakaraka ny vola eo am-pelatanan’ny minisitera, araka ny fanazavana azo.

Nanambara koa ny minisitry ny Mponina fa homarihina eto Antananarivo eny Mahamasina ny Andron’ny vehivavy amin’ity taona ity. Hetsika maro no homanina mandritra ny fankalazana.

Vonjy  

Les commentaires sont fermées.