Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sakaraha : dahalo 13 maty voatifitry ny zandary, olon-tsotra iray namoy ny ainy

Sakaraha  : dahalo 13 maty voatifitry ny zandary, olon-tsotra iray namoy ny ainy

Raikitra ny fifandonan’ny dahalo sy ny zandary tany Sakaraha ny 3 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora teo. Voalaza fa dahalo 24 ireo nanafika tanàna ireo, nangalatra omby 200. Tonga ara-potoana ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tamin’izany no nahafaty ireo dahalo 13. Nisy olon-tsotra iray tamin’ireo fokonolona nanara-dia ihany koa voatifitra ka maty. Araka ny fanazavana, tafatsoaka ny 11 lahy tamin’ireo dahalo. Izany Remaro izany ny lohandohan’ny mpisorona mitarika ireto andian-dahalo ireto.

Nilaza ny zandary fa nanampy ny tao Sakaraha ny zandary avy any Ankazoabo Atsimo ka nanamora tamin’ny fanosehana ireo dahalo.

Voalaza fa mafampana amin’ny asan-dahalo any amin’iny faritra Atsimo sy ny manodidina iny. Mitondra faisana mihitsy ny mponina amin’ny afitsoky ny malaso. Efa misy kosa anefa ny fisafoana ataon’ny zandary sy ny vonona hiatrika ady toy ity tany Sakaraha ity raha vao misy ny fanafihana. Mandeha ny fikarohana an-dry Remaro.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.