Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny delestazy lavareny eny Vontovorona… : nidina an-dalambe ny mpianatra, nanapoaka lakrimozena ny Emmo/Reg

Noho ny delestazy lavareny eny Vontovorona… : nidina an-dalambe ny mpianatra, nanapoaka lakrimozena ny Emmo/Reg

Nitroatra indray ny mpianatra eny amin’ny Politeknika Vontovorona, omaly maraina. Olana teknika momba ny fahatapahan-jiro lavareny no fototry ny savorovoro nitranga. Ny zoma alina lasa teo, nandoro kodiarana tety an-dalambe izy ireo fa tapaka ny herinaratra. Ny ampitso, tonga teny an-toerana ny mpisan’ny Jirama nijery ifotony ny olana. Hatramin’izao, tsy nivaha ny olana. Nambaran’ny mpianatra fa mahatratra imbalo, mandritra ny tontolo andro ny fahatapahan-jiro. Vokany, nanao fihetsiketsehana, nidina an-dalambe ny mpianatra, omaly, nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany hatramin’ny 10 ora maraina.

Toy ny mahazatra nirotsaka teny ny mpitandro filaminana nandatsaka baomba mandatsa-dranomaso. Nilaza ireo mpianatra fa nampiasa bala caoutchou izy ireo ary manana porofo izy ireo. Vokany, mpianatra roa voan’ny bala ary ny iray tataka ny masony, araka ny filazan’izy ireo ihany. Nisy mpianatra iray hafa nosamborina saingy efa navotsotra omaly ihany izy, araka ny vaovao farany azo.

 

Hitohy ny hetsika raha tsy mivaha ny olana 

Tsy mahazaka ny filan’ny mpianatra amin’ny fiainany andavanandro sy ny fianarany intsony ny tanjaky ny herinaratra omen’ny fitaovan’ny Jirama mitarika ny fahatapahana maharitra loatra. « Ao anatin’ny fiatrehana ny fanadinana anefa ny taona fahatelo hatramin’ny taona fahadimy ka rariny ny fitarainana », hoy ny talen’ny sekoly ambony politeknika, Andrianaharison Yvon Dieudoné. Olana miverina matetika eny Vontovorona ny fahatapahan-jiro ka nahatofoka ny mpianatra. Manelingelina tanteraka ny fizotry ny fianarana ny savorovoro teknika. Tsy hain’ny mpiasan’ny Jirama ny mikajy ny filan’ny mpianatra. Efa mijery ny vahaolana miaraka ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, minisiteran’ny Fampianarana ambony, mpiasan’ny Jirama, CrouA. Hitohy ny hetsika raha tsy mivaha ny fahatapahana, hoy ny hirahiran’ny mpianatra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.