Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitety fokontany : misy misandoka ho mpanolontsain’ny CUA

Mitety fokontany  : misy misandoka ho mpanolontsain’ny CUA

Nanamarika ny lefitra voalohan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Ramboasalama Emilien fa misy olona misandoka andraikitra ho mpanolotsaina ny kaominina mandehandeha milaza ho kolonely sy administratera sisvily na mpitsara ary indraindray mitonona ho tale kabinetran’ny CUA tnga eny amin’ny fokontany sasany.

Araka ny fantatra, olona efa voaroaka avy any amin’ny minisiteran’ny atitany ity misandoka andraikitra etsy sy eroa ity.

Nanamafy ny fiarovana ny fandriampahalemana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Arovana tanteraka ireo antontan-taratasy rehetra ka misy ny fepetra henjana noraisina ho fiarovana izany.

Henjana ny fisavana ireo olona miditra ao amin’ny kaominina. Sakanana tsy hiditra ao amin’ny CUA intsony io mpisandoka andraikitra efa fantatra endrika io.

Nitondra fanazavana mikasika ny filazan’ny sendikan’ny kung fu ny lefitra voalohan’ny ben’ny Tanàna fa tsy misy izany sendikan’ny kung fu izany ao amin’ny kaominina. Roa ihany ny sendikà ao amin’ny CUA ny sendika mahaleo tenan’ny kaominina sy ny SMKAR. Milaza tsy ho tompon’andraikitra amin’izay zava-miseho any ivelany ataon’io milaza ho sendikan’ny kung fu io ny kaominina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.