Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mangarano : roa lahy nahatrarana vola sandoka 55 tapitrisa Ar

Mangarano : roa lahy nahatrarana vola sandoka 55 tapitrisa Ar

Tratran’ny polisy tany Mangarano Toamasina ny roa lahy nitondra vola sandoka ny fiandohan’ny herinandro teo. Vola sandoka mitentina 55 tapitrisa Ar ireto sarona ireto. Antsoina hoe Solo Herimanitra 35 taona sy Andry 28 taona ny tratran’ny zandary. Nilaza izy ireo fa tany Nosy Varika no nahazoany ny vola sandoka. Amidiny 3.000 Ar ny vola sandoka 10.000 Ar iray. Nahazo vaovao ny polisy tany amin’ny boriborintany voalohany Toamasina ny amin’ny fisian’ireo olona mivarotra vola sandoka ireo. Nanao ny vela-pandrika ny polisy ka noraisim-potsiny ireo. Nilaza ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa tokony ho mailo ny rehetra manoloana ity fanaparitahana vola sandoka ity.

Tsy any Toamasina ihany no iparitahan’ny vola tahaka itony fa vao ny herinandro teo nonahatraran’ny zandary tany Ambatolampy. Antapitrisany maro ihany koa sarona tany an-toerana. Voalaza tamin’izany fa misy fanamboarana vola sandoka mihitsy tany an-toerana. Mitovy avokoa ny laharana amin’ireo vola sandoka miparitaka ireo.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.