Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Olona miisa efatra indray nilatsahan’ny varatra tany Ambatolaona Manjakandriana, omaly. Vokany, roa maty tsy tra-drano raha naratra mafy kosa ireo roa hafa. Efa nentina haingana eny amin’ny hopitaly ireo naratra ka avotra soa aman-tsara. Voalaza fa tampoka ny fiavian’ny loza satria tsy nanam-po na inona na inona ireo niharam-boina.

 

Jiolahy roa indray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Mahanoro, ny herinandro teo rehefa avy nifanenjehan’ny fokonolona. Miisa efatra izy ireo no nifanenjehan’ny olona satria tratra nangalatra lavanila tapa-gony tao amin’ny amin’ny fokontany Andranovory Mahanoro. Tafatsoaka ny jiolahy roa, saingy tratran’ny fokonolona, ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo namany roa lahy. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana. Notazonina ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Mahanoro, ireo lavanila halatra.

Les commentaires sont fermées.