Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Digue Anosipatrana : mpirahalahy nandeha moto maty voadonan’ny kamiao

Digue Anosipatrana  : mpirahalahy nandeha moto maty voadonan’ny kamiao

Mpirahalahy nandeha Sccoter no nifatratra tambany kamiao kely iray, teny amin’ny Digue Anosipatrana ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina. Maty tsy tra-drano izy roa lahy, izay samy tafatsofoka tambany kamiao. Ny iray ihany no fantatra fa nanao aro loha tamin’izy mirahalahy. Raha ny fanazavana, nisy olana tampoka ilay moto, ary nirifitra mafy nanitsy tany amin’ilay kamiao. Tsy voafehin’ilay nitondra izany ka tany ambanin’ilay fiara ny niafaran’ireo. Indrisy fa tsy nisy avotra ireto voalaza fa mpirahalahy.

Manafatra hatrany ny mpitandro filaminana ny amin’ny tokony hanarahan’ny mampiasa kodiaran-droa ny lalàna. Ny fampiasana aro loha, ny taratasy ara-dalàna, ny tsy fandehanana mafy. Mety hitera-doza tahaka ity ny tsy fanajana izany, ary ny aina no mety hanefa amin’izany. Voalaza fa manamafy ny fisavana atao amin’ny moto hatrany ny mpitandro filaminana, indrindra fa ireo mampiahiahy, ny mitondra ankizy amin’ny Scooter, sns.

Yves S.

(Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.