Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anjozorobe : raisina an-tanana ireo kamboty

Anjozorobe : raisina an-tanana ireo kamboty

Miisa 14 mianadahy ireo ankizy kamboty vokatry ny lozam-piarakodia nitranga ny 28 janoary lasa teo tao Anjozorobe. Mba ho fanampiana azy ireo, nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa horaisin’ny fanjakana an-tanana hatramin’ny kilasy famaranana ny fianaran’izy ireo. Mbola nankahery hatrany sy nananatra azy 14 mianadahy ireto mba hianatra tsara ny minisitra Rabary Paul, raha nitafatafa tamin’izy ireo.

Kamboty tampoka tsy fidiny ireto ankizy ireto ka nandraisana fanapahan-kevitra izany, raha ny fanazavana. Horaisin’ny minisitera an-tanana avokoa ny kojakojam-pampianarana sy ny vola ilaina amin’ny fampidirana mpianatra isan-taona.

Mbola kilasy amin’ny ambaratonga  voalohany avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Ny sasany efa amin’ny CEG .

Irariana mba tsy handalo fotsiny na ho maty momoka eny an-tenantenam-potoana izany fanampiana izany fa tena hitoetra ary hipaka tokoa any amin’ireto kamboty ireto ka hahatafita azy  amin’ny fianarana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.