Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anjozorobe : ankizikely miisa efatra nararin’ny pesta, iray maty

Anjozorobe  : ankizikely miisa efatra nararin’ny pesta, iray maty

Nahitana trangana pesta indray koa tao amin’ny fokontany Antsahabe distrikan’Anjozorobe, ny herinandro teo. Vokany, zazakely iray vao herintaona no namoy ny ainy. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, ankizikely efatra indray tratran’ity aretina pesta ity. Maty ny iray raha efa nahazo fitsaboana tao amin’ny CSB II ao an-toerana kosa ireo ankizikely telo. Tsy misy atahorana intsony ny momba ny toe-pahasalaman’izy ireo. Tonga nanao fanantenana ho an’ireo mponina ao amin’ny fokontany sy ny manodidina ny dokotera sy ny zandary momba ny fepetra rehetra hisorohana ny fiparitahan’ny aretina pesta.

Samy tompon’andraikitra amin’ny fahadiovana, araka izany, ny tsirairay satria ny lobolobo sy ny fako mivangongo no mitarika ny voalavo izay mitondra  ny aretina pesta. Tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha mahatsikaritra zavatra hafahafa, fa tsy andrasana hihombo ny aretina. Nanamafy hatrany ny dokotera amin’ny hanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ny zazakely raha mahita fiovana na tranga hafahafa eo amin’izy ireo.

J.C

 (Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.