Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tombanana hanatona ny morontsiraka atsinanana anio… : nivadika ho rivodoza Carlos ilay andro ratsy

Tombanana hanatona ny morontsiraka atsinanana anio…  : nivadika ho rivodoza Carlos ilay andro ratsy

Nahazo anarana Carlos ny asabotsy  tolakandro teo ilay rivodoza niforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Omaly maraina, tany amin’ny 750 km atsinanan’ny Nosy Sainte Marie no nisy ny foibeny.

« Forte tempête tropicale » izy amin’izao. 102 km isan’ora ny rivotra entiny ary mitondra tafiotra mahatratra 140 km isan’ora. Mikisaka miadana mianatsimo izy ary manambana ny Nosy rahavavy i La  Réunion sy i Maorisy.

Tombanana hanatona ny morontsirak’i Madagasikara izy rahampitso. Hatreto, tsy mbola ampy ny singa haminavinana na hiditra an-tanety  ity rivodoza ity na tsia.

Noho ny fisiany, hahazo aina ny tsiokan’ny alizay mandritra ny andro vitsivitsy.

Ilazana sahady ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka atsinanana fa hihamafy ny rivotra manomboka anio.

Manara-maso akaiky ny fivoarany ny ekipan’ny « Prévision opérarionelle » ao amin’ny Météo Malagasy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.