Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : mitaky vola amina miliara ireo jiolahy naka an-keriny teratany karana

Toamasina  : mitaky vola amina miliara ireo jiolahy naka an-keriny teratany karana

 Volabe amina miliara ny takin’ireo jiolahy naka an-keriny ilay teratany karana antsoina hoe Nourbhay Sefoudine tao Bazaribe Toamasina, ny zoma teo. Fantatra araka ny loharanom-baovao voaray avy an-toerana fa mbola nisy volabe 600 tapitrisa Ar vao avy nalaina tany amin’ny banky koa tany aminy tamin’io fotoana nakan’ny jiolahy an-keriny azy ireo. Handeha hamonjy fodiana izy sy ny fianakaviany no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sady nisaron-tava. Voalaza fa nanao fanamiana an’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy ireto. Nitondra fiara Renault Express ireo jiolahy. Tsy nanampo na inona na inona ity teratany karana ity satria tao anatin’ny minitra vitsy no nanatanterahan’ireo jiolahy ity fakana an-keriny ity. Lasan’ireo jiolahy niaraka tamin’ny fiara 4×4 iray i Nourbhay Sefoudine sy ny vola vao avy nalaina tany amin’ny banky. Nandeha tamin’ilay fiara R.Express kosa ny sasany tamin’ireo olon-dratsy. Najanon’ireo jiolahy teo akaikin’ny fiangonana FJKM Tranovato ao Toamasina anefa ilay fiara nampiasain’izy ireo ka nisy olona roa hafa indray naka ireo jiolahy nandeha tamin’io fiara io. Hitan’ny polisy io fiara io ka balana Kalachnikov miisa 20 no hita tao anatiny nandritra ny fisavana. Narian’ireo jiolahy teny Mangarano kosa ilay fiara 4×4 an’ilay Karana. Voalaza fa mitovy amin’ilay bala nampiasain’ireo jiolahy nandritra fakana an-keriny an’i Arnaud sy i Annie ireto bala ireto.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.