Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Polisy : atrikasa hisorohana ny fitsaram-bahoaka

Polisy :  atrikasa hisorohana ny fitsaram-bahoaka

Nanatanteraka atrikasa tao Ambatolampy ny  herinandro teo ny polisim-pirenena sy ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny distrikan’Ambatolampy mba ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Anandra Norbert no nitarika izany tany an-toerana. Namory ireo polisy rehetra miasa ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny minisitra taorian’izay ka nivoitra tamin’izany fa tokony hanara-dalana avokoa mba ho modely ny polisim-pirenena eo amin’ny fomba fiasa na eny an-dalana izany na any anaty birao mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. Voalaza tokoa matetika fa hoe antony iray isan’ny mampirongatra ny fitsaram-bahoaka ny tsy fahatokisan’ny olona ireo mpitandro filaminana. Nohantitraterin’ny minisitry ny Filaminana anatiny hatrany fa ilaina ny famerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny polisim-pirenena satria antoka iray hisian’ny fandriampahalemana koa izany.

Notanterahina ny herinandro teo koa ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao teo amin’ireo ankizy kambotin’ny polisim-pirenena tezaina ao amin’ny akany Ambatolampy sy ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ireo mpiara-miasa aminy. Nirary soa ireo ankizy izy sy nankahery azy ireo tamin’ny fanohanana sy fanampiana ara-tsakafo ny minisitra.

J.C

(Sary: Polisy)

Les commentaires sont fermées.