Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nirefodrefotra ny basy tany Toliara : nivadika fanimban-javatra ny grevin’ny mpitondra posy

Nirefodrefotra ny basy tany Toliara : nivadika fanimban-javatra ny grevin’ny mpitondra posy

Nivadika ho fanimban-javatra ny fihetsiketsehana nanehoan’ireo mpitondra cyclo-pousse, tao an-drenivohitr’i Toliara, ny tsy fankasitrahana ny fitakiana haba 500 Ar isan’andro ataon’ny kaominina. Velona ny savorovoro ka voatery nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana, ny asabotsy teo.

Niafara tamin’ny fanapoahan’ny mpitandro filaminana poa-basy ny grevin’ireo mpitarika cyclo-pousse nanao fihetsiketsehana tao an-tampon-tanànan’i Toliara, ny asabotsy teo. Araka ny fampitam-baovao voaray avy an-toerana, tsy nanaiky ny fampandoavan’ny kaominina ny haba 500 Ar isan’andro isaky ny posy ireto mpitatitra posy ireto. Voalaza anefa fa efa manana vignette izy ireo, saingy nofoanan’ny kaominina izany fa nosoloina ity haba 500 Ar isan’andro ity indray. Rehefa nataon’ireo mpitarika posy anefa ny kajikajy amin’ny vola mivoaka, manodidina ny 150 000 Ar isan-taona ny vola mivoaka amin’ny mpitarika posy raha mitambatambatra io vola 500 Ar alain’ny kaominina io. Vokany, tsy nanaiky mihitsy izy ireo manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny kaominina ao Toliara renivohitra. Nisy ny fivoriana maika niarahan’ireo mpitari-posy rehetra ny asabotsy tolakandro teo, saingy nivadika fanimban-javatra izany. Nisy, araka izany, ny fifandonana teo amin’ny polisy kaominaly sy ireo mpitari-posy satria nopotehin’ireo mpanao fihetsiketsehana ny jiro rehetra eny amin’ny Avenue ao Toliara. Nitokona tsy nety niasa mihitsy izy ireo, ny asabotsy teo manoloana ity raharaha ity. Nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana ka nandefa mpitandro filaminana handamina ity raharaha ity. Potika avokoa ny ankamaroan’ireo jiro manazava ny tanàna ao an-tampon-tanànan’i Toliara.

Hosamborina ireo mpitarika posy…

Nisy tamin’ireo mpitarika posy sasany no mbola nanararaotra niasa ihany na teo aza ny fihetsiketsehana nataon’ireo namany. Nopotehin’ireo mpanao fihetsiketsehana ny posin’ireo izay mbola niasa. Vokany, posy miisa 10 no indray potipotika tamin’ny asabotsy teo. Raha ny loharanom-baovao farany voaray, hiroso amin’ny fisamborana ireo mpitarika posy rehetra anio ny mpitandro filaminana noho ny fanimbana ireo jiro ka asaina manolo ireo zavatra simba ireo. Etsy ankilany anefa, milaza fa efa miomana amin’izay zavatra mety hitranga anio koa ireo mpitarika posy ary milaza fa tsy hanaiky izany fisamborana izany.

Tsikaritra fa nikatona avokoa ny ankamaroan’ireo tranombarotra rehetra ao an-drenivohitr’i Toliara ny asabotsy teo noho ny tahotra fandrobana. Na teo aza izany, niverina tamin’ny laoniny ihany ny filaminana tao Toliara ny asabotsy hariva, saingy niaina tao anatin’ny haizina ny tao an-tampon-tanàna noho ny fahasimban’ny jiro manazava ny tanàna. Vao mainka nanampy trotraka ny delestazy lavareny ao an-toerana ny fahasimban’ireo jiro. Efa nijanona ny fakana vola 500 Ar mandra-pahita ny marimaritra iraisana eo amin’ny kaominina sy ireo mpitarika posy.

Taratry ny fipoahana ara-tsosialy ity trangan-javatra niseho tao Toliara ity. Eo ny fisondrotan’ny saran-dalana, ny fidangan’ny vidim-piainana, izao koa takina haba hatrany amin’ny mpitarika posy. Nohamafisin’izy ireo anefa fa indraindray tsy misy ny karama. Vokany, mitroatra ny olona noho ny tsy fahazakana izany ka miandry kendry tohina fotsiny. Na eo aza anefa ny fihetsiketsehana toy izao, misy koa ny mpanararaotra ka manimba zavatra izay tsy misy idiran’ny fitakiana sy ny fihetsiketsehana mihitsy. Tsy maintsy miafara amin’ny fanimban-javatra hatrany ny fihetsiketsehana toy izao? Andrasana indray araka izany ny tohin’ity raharaha ity.

CMS sy J.C

Les commentaires sont fermées.