Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sakafo any an-dakilasy : nanolotra vola 2,3 tapitrisa dolara sy vary i Japon

Sakafo any an-dakilasy : nanolotra vola 2,3 tapitrisa dolara sy vary i Japon

Nanolotra vola mitentina 2,3 tapitrisa dolara sy vary milanja 620 t ho an’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) ny fanjakana japoney, omaly tany amin’ny EPP Motombe, ao Toliara II. Afaka misakafo ny mpianatra 243 000 isan’andro any amin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana vokatry ny fisian’ny fizarana sakafo an-dakilasy iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ahitana vary na katsaka, miampy voamaina sy menaka ary otrikaina ny sakafo omena ny ankizy isan’andro any an-tsekoly. Ankoatra ny any atsimo, hizarana sakafo koa ny ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana amin’ny tanàn-dehibe telo : Antananarivo, i Toamasina ary i Toliara. Ampianarina fahadiovana sy ny sakafo ara-pahasalamana ireo mpianatra sy ankizy mpahazo tombontsoa mandritra ny faharetan’ny tetikasa.
« Fomba iray ampiasaina hitazonana ny ankizy any an-dakilasy ny fizarana sakafo masaka isan’andro ka zava-dehibe ny fanampiana avy amin’ny Japoney », hoy ny solontean’ny Pam eto amintsika, Moumini Ouedraogo. Vonona hatrany hanohana ny fanjakana hanatsara ny fiainan’ny mponina, indrindra ny mpianatra, i Japon, hoy ny masoivohony miasa eto amintsika, Ichiro Ogasawara.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.