Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vinavinain’ny Météo amin’ity febroary ity fa… : “Mbola hivaivay ihany ny haitany eto Analamanga”

Vinavinain’ny Météo amin’ity febroary ity fa… : “Mbola hivaivay ihany ny haitany eto Analamanga”

Hizara roa miavaka tsara ny toetr’andro eto Madagasikara amin’ity volana febroary ity, araka ny tombatomban’ny Météo. Raha ahiana ny tondradrano noho ny fahabetsahan’ny orana, any amin’ireo Faritra atsimon’ny Nosy, mbola hitoetra hatrany ny haitany amin’ireo Faritra amin’ny tapany avaratra. Anisan’izany ny Faritra Analamanga.

 

Namoaka ny vinavina ny mety ho toetry ny andro amin’ity telo volana voalohany (janoary – avrily) ity ny Meteo Malagasy, omaly. Nisongadina tamin’izany fa hizara roa mazava tsara ary hifanohitra tanteraka ny toetr’andro eto Madagasikara amin’ity volana febroary ity. Hitohy kely izany amin’ny fiandohan’ny volana marsa.

Hihamafy ny hafanana sy ny hain-tany vokatry ny tsy fahampian’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sava, Diana, Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga. Voakasin’ity haintany ity ihany koa ny tapany atsinanan’ny faritra Boeny, Betsiboka, Itasy, Vakinankaratra ary ny tapany avaratry ny faritra Vatovavy Fitovinany.

Tsy mbola manantena oram-pahavaratra velively araka izany ny mponina amin’ireo toerana ireo, indrindra ny mpamboly. Mila miomana ny amin’izany ny rehetra indrindra ny mety ho fiantraikany amin’ny fahasalamana, ny famatsiana rano…

Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa ny zavatra hitranga amin’ireo faritra sasany satria mananontanona ny tondra-drano ka mila miomana amin’izany sahady ny mponina. Amin’ity volana febroary ity, hikija maharitra sy hivatratrava ny orana any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Bongolava, Amoron’i Mania ary ny tapany andrefan’ny faritra Boeny, Betsiboka, Itasy ary Vakinankaratra. Ho tratran’izany ora-mikija izany koa ny tapany atsimon’ny faritra Vatovavy Fitovinany.

Tombanan’ny Météo sahady ny mety hisian’ny tondra-drano vokatry ny habetsaky ny rotsak’orana amin’ireo faritra sasany.

Hihamafy koa ny krizy atsy ho atsy

Manoloana ireo toetr’andro roa mifanipaka tanteraka ireo, vao maika mampiahiahy ny mety hahamafy ny vidin-tsakafo atsy ho atsy indrindra ny vary. Miala amin’ny haintany dia miditra amin’ny tondra-drano izay samy tsy mety amin’ny fambolena.

Any atsimon’ny Nosy, efa nampitaraina ny mponina ny habetsaky ny rotsak’orana ny volana janoary teo. Vao maika hihamafy izany amin’ity volana ity ka handravarava ireo fambolena kely izay andrandraina any an-toerana.

Eto Antananarivo indray, tsy afaka mamboly ara-potoana ny tantsaha noho ny tsy fisian’ny orana. Amin’ny volana ambony anefa, hisy ihany ny orana fa saingy ho be loatra miohatra ny tokony ho izy izany ka hanimba ny tanimboly indray aza.

Mikasika ny vaovao navoakan’ny Météo France, notaterina teto dia nilaza ny Météo Malagasy fa tsy dia mitombina loatra izany vaovao izany.

 

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.