Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotondrazafy Lalatiana : “Feno ny fepetra mety hiteraka fipoahana sosialy”

Rakotondrazafy Lalatiana  : “Feno ny fepetra mety hiteraka fipoahana sosialy”

Mihamitombo sy mihalalina ny fahasahiranam-bahoaka. Ahina ny fipoahana sosialy. Feno ny fepetra, raha ny nambaran-dRakotondrazafy Lalatiana. “Tsy mitady vahaolana ny fanjakana amin’ny fahatapahan-drano, delestazy, tsy fandriampahalemana… Marobe ny zavatra iainan’ny vahoaka isan’andro: amin’izao, feno indrindra ny fepetra mety hiteraka ny fipoahana sosialy.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, teny Faravohitra, afakomaly, manoloana ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao fotoana izao: delestazy, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana…

Tena zava-misy ny fipoahana sosialy amin’izao, azo tsapain-tanana raha ny fiakaran’ny vidin’entana. Tsy ho zakan’ny vahoaka ny saran-dalan’ny taxi-be 500 Ar. Miampy ny fiakaran’ny vidin-tsolika, miteraka fiakaran’ny vidim-piainana ankapobeny. Ny vary aza, efa 2 000 Ar ny kilao.

 

Avela haneho hevitra ny olona

 

“Avelao ny olona hanana fahafahana haneho hevitra”, hoy izy. Nefa tsy mieritreritra ny fitondram-panjakana fa mitroatra io fahatezeram-bahoaka, rehefa tazonina. Efa nampianatra antsika izany ny tantara. Sasana atidoha ny vahoaka hoe sao manongam-panjakana, raha vao manao hetsika.

Rehefa tsy avela haneho hevitra amin’izay maharary azy ny olona, ary tsy handray andraikitra fa mizahozaho tsy hanao na inona na inona ny fitondram-panjakana: hipoaka ihany ny sarom-bilany amin’ny fotoana iray, araka ny nambarany. Hisorohana izay, omeo fahalalahana haneho hevitra ny olona. Ampiasao ny kianjan’ny Demokrasia, Ambohijatovo.

 

Tsy fahatokisan’ny vahoaka mpitondra ny fitsaram-bahoaka

Midika ho tsy fahatokisan’ny olona intsony ny fitondram-panjakana ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Toy ny mahatsapa ny olona hoe tany tsy misy fanjakana eto, aleony raisina an-tanana ny azy: fitadiavana vahaolana amin’ny delestazy, tsy fandriampahalemana… Tsy manolotra vahaolana amin’izay tadiavin’ny olona tsinona ny fanjakana.

Voatery mipetraka eo amin’ny toeran’ny fanjakana mitady vahaolana ny olona, mikarakara ny tenany amin’ny fitsaram-bahoaka, ohatra, fa tsy mandray andraikitra ny fitondram-panjakana. Lasa toy ny tany tsy misy fanjakana eto.

Mihaino izany ve ny mpitondra bemarenina hatramin’izay?

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.