Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

67 ha : mpanendaka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Sendra ireo nahay azy ! Jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be mankany Ivato no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly tolakandro. Voalaza fa misy maromaro ry zalahy no miara-manendaka sy mangarom-paosy eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be fa ity jiolahy iray no tratran’ny fokonolona teo. Mody milahatra taxi-be toy ireny olona handeha hody any Ivato ireny ry zalahy. Rehefa tonga ny taxi-be, iny koa izy ireo fa mody mihazakazaka mifandrombaka sy misisika miaraka amin’ireo olona miditra ao anaty taxi-be. Mandritra izany anefa, mangarom-paosy sy manokatra ny poketra sy ny kitapon’ireo olona miditra ao anaty taxi-be ry zalahy. Nisy nahatsikaritra ny fihetsik’ireto jiolahy ireto ka raikitra avy hatrany ny fifanjevoana. Renim-pianakaviana iray no niantso vonjy satria tratrany nangarona tao anaty poketra ny iray tamin’ireo jiolahy ireo. Nifanenjehan’ny olona teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be ireo jiolahy, saingy tafaporitsaka ny namany fa ny iray kosa tratran’ny olona, ka samy nanala ny hatezerany tamin’ity jiolahy ity ny olona teny an-toerana. Naratra mafy ilay jiolahy, saingy mbola tafaporitsaka ihany taorian’izay. Isan’ny toerana malaza ratsy amin’ny asan-jiolahy mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy iny 67 ha fiantsonan’ny taxi-be mankany Ivato sy Ankazomanga iny. Aoka ho mailo fa tsy kely lalana ny ratsy. Misy koa ireo resevera miray tsikombakomba amin’ireny mpanendaka ireny.

J.C

Les commentaires sont fermées.