Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tany ifanolanana eny Andohatapenaka : mitaky ny hanafoanana ny fanapahan-kevitry ny CUA ireo mpanohitra

Tany ifanolanana eny Andohatapenaka  : mitaky ny hanafoanana ny fanapahan-kevitry ny CUA ireo mpanohitra

 Nampiaka-peo. « Tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitry ny mpanolotsain’ny Tanàna nanaiky sy nandany ny amin’ny nanomezan’ny orinasa Tiko ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny tany eny Andohatapenaka . Noho izany, nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) izahay ary hotsaraina ny zoma 3 febroary izao ny raharaha», hoy ireo mpanolotsaina mpanohitra, tetsy Behoririka, omaly. Nambaran’izy ireo fa tsy ara-dalàna izany satria tany mbola ifanolanan’ny fanjakana sy ny Tiko io nefa nandraisana fanapahan-kevitra.  « Tsy tafiditra tao anatin’ny lahadinika tamin’ny fivoriana ny volana jolay 2016 io resaka io. Tsy mbola tafiditra eo amin’ny dinika samihafa koa ary efa tany amin’ny faran’ny fivoriana aza vao nampidirina hodinihina izany », hoy ihany izy ireo. Matoky ireto mpanolotsaina mpanohitra ireto fa tsy hitanila ary mahaleo tena ny Taf amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny. Nanamafy izany ny mpisolovava azy ireo. Ankoatra izany, miantso ny mpisafon-draharaham-panjakana (IGE) izy ireo mba hanara-maso ny fitantanana ny kaominina. « Tsy misy mangarahara ny fitantanana ary tsy hita taratra ny kaominina tan-dalàna », hoy izy ireo.

Randria

 (Sary Tiana)

Les commentaires sont fermées.