Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotomanga Eric : “Mihamilentika ny Malagasy vokatry ny fitantanana tsy mahomby”

Rakotomanga Eric  : “Mihamilentika ny Malagasy vokatry ny fitantanana tsy mahomby”

 Ho taon’ny asa ity 2017 ity, raha ny filazan’ny mpitondra. Mby aiza ny fanalana fahasahiranana ny vahoaka? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric: “Vao mainka mihamilentika ny Malagasy vokatr’izany fomba fitantanana tsy mahomby izany.” Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fitondrana manoloana ny fahasahiranam-bahoaka?  

       

Rakotomanga Eric (-): Efa nanamarika an’io ny AKFM tamin’ny taon-dasa, nilazana fa tsy voafehin’ny fitondrana intsony ny raharaham-panjakana tantaniny. Maro ny antony. Vokatry ny tsy fananana programa hentitra hotanterahina, fa izay misy vola fotsiny no atao. Izy rahateo nandany fotoana nitady vola tany ivelany, nefa tsy nahita raha tsy ny faramparany teo. Vokatr’izany, miparitaka ny fomba fitantanana ny firenena.

Nefa efa nisy elabe ny olana, ary andrasan’ny olona ny famahana azy. Tsy any ny laharam-pahamehan’ny fanjakana, nefa mihamitombo ny olan’ny vahoaka ary tsy zaka intsony. Vao mainka tsy voafehy intsony ny fitantanam-panjakana: tsy voafehy ny olana andrandrain’ny vahoaka ny famahana azy; ny vahoaka, tsy mahatanty intsony ny olana iainany. Ho raharaha ny hihetsehany…

* Ahoana ny amin’ny fifidianam-paritra sy faritany hoe tokony hatao amin’ity taona ity?

– Efa tokony ho nirosoana efa ela ny fifidianam-paritra sy faritany, raha ny lalàmpanorenana. Satria mameno ny rafi-panjakana tokony hisy ireo. Nefa tsy izay ny laharam-pahamehan’ny fitondrana. Anisan’ny tsy vita koa ny fametrahana ny Fitsarana avo (HCJ), ohatra.

Tsy nataony ho laharam-pahamehana ireny andrimpanjakana ireny. Ny rafi-panjakana izao tsy feno akory, efa manomana sahady ny fifidianana filohan’ny Repoblika: manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, manangona vola hanaovana izany…

* Mifandray amin’izay ny hoe ny antokon’ny fitondrana no matanjaka indrindra,  hanjaka amin’ny fifidianana…

– Rehefa antokom-panjakana, maro no mivadika palitao… Efa tamin’ny Repoblika I io: azo hadinoina, PSD avokoa ny mpitondra rehetra, mameno ny tanàna… Tamin’ny fifidianana farany, nahazoany 91 %. Fomban-javatra ihany io, nefa marika koa fa hifarana ilay fitondrana.

* Ary ny hoe ny mpitondra teo aloha no nahatonga ny olana amin’izao fotoana izao?            

– Ndeha hoekena hoe tsy miankina amin’ny fitondrana ny olana. Izay indrindra no nametrahana azy eo: hamaha ny olana misy, na miankina aminy na tsia. Raha ny tenin’ny filoham-pirenena, azo atao izany ny hoe: satria tsy miankina aminy, tsy diso izy ary tsy hanao… Angaha izany no fitondrana firenena?

Matoa nesorin’ny olona ny mpitondra rehetra teo aloha, tsy nahavaha ny olana. Ny tena izany no heverina hamaha azy… Nefa milaza ny tena fa ny hafa no nanao an’io. Ny dikan’izay, tsy hanao ny tena. Rariny ihany ny olona raha miteny hoe aleo koa soloina hafa hahavita an’ilay izy.

* Ary ny filazana fa manelingelina ny mpanohitra?

– Voamarina tamin’ny teny toy izany fa hoe te hanao izy, fa misakana azy ny mpanohitra. Taiza teto amin’ny firenena na fitondrana eran-tany no tsy misy mpanohitra? Nefa mandroso ihany… Ny mpanohitra aza no tokony hampandroso, rehefa manakiana ny fitondrana: vonjen’ny tena haingana izany amin’izay hanaovana azy. Tsy misakana ny fampandrosoana ny mpanohitra.

Ny marina, tsy misy programa hotanterahina: tsy hita izay hatao. Ambonin’izay, manao zavatra hafa: mangoron-karena, indrindra ireo manodidina. Ny loza, te hanao nefa tsy manana programa: lasa mivaro-tanindrazana ho takalon’izay tiana hatao. Vao mainka mihamilentika ny Malagasy vokatr’izany fomba fitantanana tsy mahomby izany.

* Ary ny amin’ny fanovana toe-tsaina? 

– Aminay, tsy vita fotsiny amin’izao ny fanovana toe-tsaina, fa miankina amin’ny tontolo manodidina materialy. Raha mbola mahantra ny vahoaka, eo ny toe-tsaina tia mangalatra, tsy manara-dalàna… Miova ho azy izay, raha mipetraka tsara ny rafitra manodidina: fonenana madio, tanàna milamina…

Ny manodidina andavanandro no mampiova ny toe-tsaina, fa tsy toe-tsaina no mampiova ny manodidina. Araka izay koa ny fiovan’ny toe-tsain’ny mpitondra. Ny manodidina ny ankamaroan’ny mpitondra, ohatra, ny hoe: hanabe paosy. Heverina fa fangoronan-karena ny fanaovana politika. Izay ny fiarahamonina kapitalista, tsy mahagaga raha izany koa ny toe-tsainy: vola aloha, fa tsy ny tombontsoam-bahoaka.

 

* Nanaitra faramparaay teo ny amin’ny fisian’ny samy miaramila mifamono na mifampitifitra….

– Be ny ilàna mpitandro filaminana eran’i Madagasikara. Voalazan’ny vaovao, ohatra, fa tamin’ny fotoana iray nisy manamboninahitra roa lahy sendra nanefa iraka, nefa nahazo antso tampoka ny fisian’ny dahalo izy ireo. Nisy helikoptera nandehan’izy roa lahy fotsiny, matiny avokoa ireo dahalo. Mpitandro filaminana roa miaraka amin’ny fitaovana, maharesy dahalo. Nefa tsy izany no zava-misy fa risoriso sy Mafia avy any ambony…

Tsy vaovao koa, angamba, ny fisian’ny mpitandro filaminana mifamono. Efa nisy olana napetraky ny Frantsay hatramin’ny niforonany ny fifandraisan’ny Tafika sy ny zandary ary ny polisy. Nefa efa nisy koa ny fihaomben’ny mpitandro filaminana teny Ivato, taona 2010, Heveriny fa iry no hampiharina, mety hilamindamina kokoa izao raharaha izao. Satria zava-doza ny fifandonan’ny samy Tafika.

Nangonin’i R. Nd.

Les commentaires sont fermées.