Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miady amin’ny tsindrihazolena ny Zatata

Miady amin’ny tsindrihazolena ny Zatata

Tapa-kevitra izahay ka namondrona ny hery ary nanangana ny fikambanana. Hamerenana ny firaisankina eo amin’ny samy Malagasy, indrindra fa ny samy tanalana. Miady amin’ny fanavakavahana ara-poko. Mitaiza ny tanora ho olom-banona. Miady amin’ny tsindrihazolena sy ny fahantrana. Miaro ny tontolo iainana ary mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny faritra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Zanaky ny tanalana tandriake (Zatata), Esoakele, omaly. Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hifampitsinjovana sy ny famahana olana ary fiahiana ara-tsosialy ireo mpikambana maherin’ny 1 000 ao aminy. “Hifanampy amin’ny tokony hatao eo an-tanàna izahay. Ohatra, hojerenay izao ireo traboina noho ny orambe… Tsy manavaka fiaviana sy foko ny Zatata ary hiompana amin’ny asa sosialy sy toekarena ny fikambanana”, hoy ny mpanolotsaina, Mpiaro Fulgence. Anisan’ny antony nananganana izany ny volana novambra 2016 teo ny fahatongavan-tsain’izy ireo manoloana ireo fikambanana hafa, marefo sy tsy mifampitsinjo ary koa manao fitaovana ny fikambanana na anjakan’ny be vola.. Mandala ny fifanajana sy ny soatoavina malagasy ny Zatata ary mifampitsinjo amin’ny fotoana rehetra. Na an-kasoavana na an-karatsiana, toy ny aretina, fahaterahana, fanambadiana na fahafatesana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.