Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manasa-dalan’ny Can : hifampitady i Ghana sy i Cameroun

Manasa-dalan’ny Can  : hifampitady i Ghana sy i Cameroun

Adin’ny samy ngeza. Hatao anio, alina ny manasa-dalana faharoa eo amin’ny « Can 2017 » taranja baolina kitra, tanterahina any Gabon. Hifandona amin’izany ny Kintana maintin’i Ghana sy ny Liona tsy voafolaka Kameroney. Anisan’ny baolina miady ny fihaonan’ny roa tonta raha ny fanombanan’ny mpitia kitra azy. Samy efa inefatra nahazo ny Can  avy ny ekipa roa tonta raha ny dingana vita teo amin’ny tantaran’ny Can. Ho an’ny Blacks Stars manokana, efa nahazo izany izy ireo ny taona 1963, 1965, 1978 ary ny taona 1982. Na izany aza, resin’ny Faraonan’i Ejypta izy ireo teo amin’ny lalao teny anivon’ny sokajy D, ny 25 janoary lasa teo tao amin’ny kianjan’i Port-Gentil, nialoha izao niakarany amin’ny manasa-dalana izao.

Ho an’ny Liona tsy voafolaka kosa, tsy mbola resy izy ireo fa nandresy na nanao ady sahala hatramin’ny nanombohan’ny Can.

Araka izany, anisan’ny lalao andrasan’ny maro ny fihaonan’ny roa tonta.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.