Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hotsimbinina ny mpamafa lalana

Hitsimbina sy hiezaka hijery ireo mpanadio ny tanàna manerana ny boriborintany enina ary  hanavao ny fomba fiasa ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, amin’ny fampandrosoana ny tanàna.

Nivoitra izany nandritra ny fihaonana tao amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny faran’ny herinandro teo nahafahan’ireo mpanadio rehetra nilaza ny hetahetany sy ny olana mianjady aminy.

Anisan’izany ny fangatahana  ny fampitomboana isa ireo mpamafa lalana fa tsy ampy ny fanomezana kifafa isaky ny 10 andro. Ankoatra izany ny arotanana sy arorana, ny fanomezana fanafody, ny fiakaran’ ny karama ary ireo lafin’ny  sosialy.

Eo koa ny fitarainana momba ireo fiara mpitatitra manipy fako  eny amin’ny arabe. Tsy misy fanajana. Nilaza ny ben’ny Tanàna fa misy lanjany sarobidy ho azy ny fisian’ireo mpamafa lalana. Notsindriny fa miantoka betsaka ny endriky ny tanàna ireo mpanadio ireo.

Nampanantena izy fa hojerena akaiky ny momba ny mpamafa lalana, mitaky fiaraha-miasa miaraka izany. Notsiahiviny ihany koa fa hisy ny fifaninanana ary hosandaina tambim-karama  izay hita fa miasa tsara amin’ny boriborintany enina.

Efa misy koa ireo arorana sy kiraro kiranyl miisa 400 zaraina ho an’ny mpamafa lalana manerana ny  boriborintany.

Tatiana

Les commentaires sont fermées.