Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hampitombo ny vola miditra aminy : azo asina dokam-barotra ny taxi-be sy taksiborosy

Hampitombo ny vola miditra aminy : azo asina dokam-barotra ny taxi-be sy taksiborosy

Hanampiana ny tompon’ny taxi-be hampitombo ny vola miditra ao aminy, afaka mandray dokam-barotra atao amin’ny atiny sy ivelan’ny fiara izy ireo amin’izao fotoana izao. Tetikasa karakarain’ny Adiresiko Media ny transcopub, natokana ho an’ny fiara mpitatitra olona eto Antananarivo sy ny manodidina hatrany amin’ny faritany enina. Raha efa mihatra ny tetikasa ho an’ny fiara taksiiborosy mampitohy ny Renivohitra amin’ny renivohi-paritany dimy. « Miandry ny fahazoan-dalana avy amin’ny mpitantana ny kaominina Renivohitra ny mpiandraikitra ny orinasa amin’izao fotoana izao », araka ny fanazavan’ny taleny, Randrianarivony Mita, omaly teny Analakely. Efa tomombana ny antontan-taratasy rehetra avy amin’ny minisitera sy ny fanjakana ahafahana manatanteraka ny asa fa miandry ny fandresen-dahatra miaraka amin’ny kaominina sisa.

Ferana ny faritra eo amin’ny taxi-be ametrahana ny dokam-barotra hikajiana ny loko mampiavaka ny zotra isanisany. Ankoatra amin’ny hetra aloan’ny orinasa Adiresiko Media amin’ny fanjakana isaky ny dokam-barotra iray (15 000 Ar ny hetra amin’ny iray metatra toradroa), misy koa ny tamberim-bidy omena ny kaoperativa iasan’ireo fiara mpitatitra hanatsarany ny asa sahaniny. Ho an’ny UCTU sy ny UCTS kosa, asa sosialy iarahan’ny roa tonta manapaka no hirosoana. Ametrahana GPS (géo localisation par satellite) ireo taxi-be sy taksiborosy manaiky ny fiaraha-miasa ahazoana mandrindra sy manara-maso ny fiara rehetra. 16 000 ny fiara mpitatitra miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 amin’ireo eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.