Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanandratana ny boky : hanana trano famakiam-boky ny IKM

Fanandratana ny boky  : hanana trano famakiam-boky ny IKM

Vinavinaina hisokatra, amin’io tapatapaky ny volana marsa io, ny trano famakiam-boky vaovao ao amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) etsy Antsahavola. Ankoatra, hisy toerana ho an’ny tontolon’ny informatika ihany koa ao, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

Ivotoerana manome lanja ny kanto sy ny kolontsaina ny IKM, ka ao anatin’izany ny tontolon’ny asa soratra. Toeram-panovozam-pahalalana ihany koa izy. Ao, ohatra, ny toeram-mpampianarana kabary, sary, sns. Ireo rehetra ireo no antony nanitarana ny toerana ho amin’ny resaka vaky boky.

Na eo aza ny maha Ivotoeran’ny kolontsaina malagasy azy, mivelatra amin’ny kolontsaina marolafy ny foibe, araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity hatrany. Noho izany, ho hita ao ny karazam-boky rehetra. Manana mpiara-miasa ny IKM amin’ny fanatontosana ity tetikasa ity.

Na izany aza, miantso ny malala-tanana, mpitia sy mpamaky boky, izy ireo mba hiara-hisalahy amin’ny famatsiana ity toeram-pamakiam-boky ity. Anisan’ny hampiavaka ity toerana ity ny hahamaimaimpoana ny famakiana ireo boky.

Araka izany, an-dalam-panavaozana, amin’izao fotoana izao, ireo efitrano ao amin’ny IKM ho fandraisana ity sampana vaovao ity. « Naato aloha ireo hetsika samihafa, amin’ity volana ity, ankoatra ny amin’ny faramparan’ny febroary, izay hisian’ny fampirantiana », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.