Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Craam Ankatso : mampiranty ny “Pensée à haute voix” i StamLoony

Craam Ankatso : mampiranty ny “Pensée à haute voix” i StamLoony

Maneho amin’ny feo avo ny eritreritra manginan’ny hafa… Izay, raha tsorina, ny hevitra fonosin’ny fampirantiana “Pensée à haute voix”, an’i StamLoony. Nosokafana, omaly, izany tetsy amin’ny Craam Ankatso, izay azo tsidihina hatramin’ny 17 febroary izao.
Maro ny tsy ambara, afenina, tsy resahina, na iniana hadinoina eto Madagasikara raha ny hevitry ny mpanakanto. Ireny anefa no ezahiny aseho amin’ny zavakanto, araka ny fanazavana hatrany.
Niainga tamin’ny hosodoko manara-penitra, avy eo nanitatra ny aingam-panahiny tsy ho voafetran’ny sakana isan-tsokajiny i StamLoony. Hita taratra izany fahalalahana izany amin’ireo akora ampiasainy, toy ny vy, hazo, taratasy, sy izay rehetra azony ampiasaina. Nanomboka tao amin’ny fikambanana Lavatondro ity mpanakanto ity.
Anisan’ireo mpanakanto niara-namokatra sanganasa izay naranty tao amin’ny fakiolten’ny soratra sy ny siansa maha olona ao Ankatso izy, niaraka tamin-dry Temandrota, Andry Anjoanina, Mme Zo ary I Rina tamin’ny taona 2014. Nialoha izay, nandray anjara tamina atrikasa mahakasika ny hairaha araka endrika amam-bika teto sy tany ivelany i StamLoony.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.