Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny fanadiovam-bola sy fampihorohoroana : nanao tatitra tamin’ny Banky iraisam-pirenena ny zandary

Ady amin’ny fanadiovam-bola sy fampihorohoroana  : nanao tatitra tamin’ny Banky iraisam-pirenena ny zandary

Naneho ny paik’adiny manoloana ny ady amin’ny fanadiovam-bola maloto sy ny famatsiam-bola mpampihorohoro ny zandarimariam-pirenena, teo anoloan’ny solotenan’ny banky iraisam-pirenena omaly, teny amin’ny Toby Ramarolahy. Nanaovana izany famelabelarana izany ny eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria no, ao anatin’ny tetikasa Gafi (Projet groupe d’actions financières). Ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria sy ny Samifin, ary ny manampahaizana manokana momba ireo lohavevitra ireo nanatanteraka izany tamin’ireo avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Nanehoana ny mombamomba ny fisehoan’ity resaka fanadiovam-bola maloto sy famatsiana ny mpampihorohoro eto amintsika izany. Voalaza fa tsy afa-miala amin’izany i Madagasikara, ary misy eto amintsika io. Saingy, tsy voafaritra mazava kosa anefa ny tena fisehony mivaingana, fa famelabelarana ara-teknika no natao. Heverina fa tsy tokony hijanona amin’ny sehatra ambony latabatra fotsiny ny raharaha toy itony. Manan-jo hahalala izay tena hevitra fonosiny sy ny fisehony avy amin’ny tompon’andraikira ny vahoaka, izay mety hiharany mivantana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.