Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Milaza ny tsy hanaiky mihitsy ireo mponina mipetraka eny Itaosy sy ny manodidina raha misondrotra 500 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be, manomboka anio. Nentin-katezerana ireo andian’olona tsy mankasitraka izany fa andrasana izay hitranga anio. Isan’ireo taxi-be tsy manaja sy mampifilafila mpandeha ny taxi-be 133 mampitohy an’Analakely sy Itaosy. Ny saran-dalana, hampiakarina nefa ny tolotra homena ny mpanjifa, tsy mifanaraka amin’izany. Manginy fotsiny ny fihodinana tapa-dalana eo amin’ny Fiaro Ampefiloha ka lasa mandoa saran-dalana fanindroany ireo olona hihazo an’Analakely.

Mitombo izaitsizy ireo mpisoloky mitady olona hiasa amin’ny alalan’ny peta-drindrina tato ho ato. Lazan’ireo olona mitady olona hiasa ireo fa mitentina 2 hetsy Ar mahery ny karama, miampy “bonus” isan-kerinandro, tsy mila mari-pahaizana ary azo atao fanampin’asa izany. Tsy misy akory anefa izany asa izany araka ny filazan’ireo nijoro vavolombelona. Mbola asaina mandoa vola indray aza ireo olona tonga mitady asa.

 

Les commentaires sont fermées.