Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sambava : zanaka jeneraly voarohirohy ho nangalatra lavanila

Sambava  : zanaka jeneraly voarohirohy ho nangalatra lavanila

 Natolotra ny fampanoavana ny herinandro teo ireo olona telo voarohirohy ho nanodinkodina sy nangalatra lavanila maitso mbola tsy matoy teo amin’ny telo gony teo ho eo. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny borigadin’ny zandary ao Sambava, ny GPHC Rakotovao Rivo, zanaka manamboninahitra jeneraly ny iray amin’ireo voarohirohy ireo. Efa nalefa any amin’ny fitsarana ireo voarohirohy mba hisorohana amin’ny mety ho fitsaram-bahoaka. Ny 21 janoary 2017, lavanila milanja 345 kg no nanjavona tampoka tao amin’ny kaominina ambanivohitra Nosiarina Sambava ka 104 kg tamin’ireo no efa azon’ny zandary. Nitohy hatrany ny fikarohana ka dimy andro taorian’izay, tratra ny fiara Renault Express tsy misy laharana izay somary nampiahiahy ny mponina satria tsy nandalo teo amin’ny barazin’ny polisy nefa mivezivezy tao an-toerana. Nangataka fangatahana tany amin’ny fitsarana amin’ny ahafahana misava ny tranon’ilay tompon’ny fiara ny zandary ka mbola nahatrarana lavanila tsy matoy telo gony sy roa harona tao an-tranony. Mbola nisy lavanila milanja 32 kg koa niahy teo ambony tafon-trano. Nitohy hatrany ny fisavana ka hita avokoa ireo lavanila natao tanaty selofanina kely maromaro.  Mbola tsy nodorana kosa ireto lavanila maitso ireto ka somary mampiahiahy ny olona sasany any an-toerana.

Ahoana indray izany ny momba ity raharaha ity? Ho afaka indray rehefa tonga eny amin’ny fampanoavana? Rehefa zanaka olona ambony dia afaka ho azy na ho very an-javony ny tohin’ny fanadihadiana. Mandeha ny tsindry bokotra sy ny fandrahonana amin’ny tsy hanohizana intsony ny fanadihadiana?

J.C

Les commentaires sont fermées.